MANAMAFY NY FIARAHA-MIASA AMIN’NY MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA NY MASOIVOHON’NY FIRENENA FRANTSAY

MANAMAFY NY FIARAHA-MIASA AMIN’NY MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA NY MASOIVOHON’NY FIRENENA FRANTSAY

Nitsidika teto Madagasikara ny Ambassadeur na Masoivohon’ny Filoha Frantsay miandraikitra ny Mozea sy Vakoka Andriamatoa Jean-Luc MARTINEZ.

Noraisin-dRatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO sy mpiara-miasa aminy vitsivitsy ity iraky ny Filoha Frantsay izay notronin’ny Masoivohon’ny Repoblika Frantsay miasa eto Madagasikara Andriamatoa Arnaud GUILLOIS.

Nifampidihana nandritra ny fihaonana ny lohahevitra maromaro izay hisian’ny fiarahamiasa eo amin’ny firenena roa tonta, anisan’ny goavana tamin’izany ny fanohizana ny dingana ara-diplomatika efa natomboka hampodiana eto Madagasikara ny Kabeson’ny Mpanjaka Sakalava Toera sy ireo mpiady sakalava izay mbola tehirizina ao amin’ny « Musée de l’Homme » Paris France.

Fa eo koa ny fanitarana ny fiarahamiasa amin’ny sehatry ny Mozea tahaka ny eny amin’ny Rovan’i Madagasikara, ny Mozea eny amin’ny Lapan’ny Praiminisitra Andafiavaratra, ny Mozean’ny Haino aman-jery « HAVORIA », ny Mozean’ny Tahiry ara-tsary « Trano Sary », ny Mozea atsangana isam-paritany sy ny sisa.

#masoivoho_frantsay_miandrakitra_ny_mozea_sy_ny_vakoka

#Minisiteran_ny_Serasera_sy_ny_Kolontsaina