TAGNAMARO AMBATONDRAZAKA

Fanadiovana ny « Centre technique RNM/TVM » Ambohimiangaly no nanamarihana ny hetsika TAGNAMARO voalohany tamin’ity taona ity teto Ambatondrazaka, androany sabotsy 21 janoary 2023.

Nifanome tanana nanatanteraka ny asa ireo serivisy miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana eto an-toerana ary nisy tamin’ireo fikambanana ihany koa no nahatonga solontena.

Taorian’ny hetsika, nisy ny fitsidihana ity toeram-piasana ity nampahafantarana ny fampandehanana ny RNM sy ny TVM.