TAGNAMARO ANDILAMENA
Tamin’ny alalan’ny hetsika TAGNAMARO natao androany sabotsy 21 janoary 2023 no nanomanana ireo zanakazo ho volena amin’ny fanokafana ofisialy ny taom-pambolenkazo ao amin’ny distrikan’Andilamena.
Ny lehiben’ny Distrika no nitarika izany niaraka tamin’ny Delegasionan’ny Serasera sy ny Kolontsaina ao an-toerana.
Nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny tompon’andraikitry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy ary ny kaominina ambonivohitra Andilamena ka nahafahana nanatanteraka izao hetsika izao.
Marihina fa ao Andoharano no hanokafana ny taom-pambolenkazo ny sabotsy 28 janoary 2023 ho an’ity distrika ity.