TAGNAMARO MAHATSIATRA AMBONY

Distrika Fianarantsoa I

Tontosa soa aman-tsara ny andron’ity Sabotsy 21 Janoary 2023 maraina teo ity, ny hetsika ara-kolontsaina  » Tagnamaro – Andron’ny Olompirenena – Volana Janoary 2023  » izay teo ambany fitarihan’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Matsiatra Ambony sy ireo sampan-draham-panjakana (Sivily sy miaramila) ary niarahana nanatontosana ihany koa tamin’ny EKAR – Diosezy Sahalava Fianarantsoa.

Fanasosohana zana-kazo sy fanadiovana ny tontolo manodidina ireo hazo mitsiry, efa novolena tamin’ny roa taona lasa, no natao nandritra izany hetsika ara-kolontsaina  » Tagnamaro Andron’ny Olompirenena  » izany.

Na teo aza ny toetr’andro vokatry ny akon’ny andro ratsy, dia tonga navitrika hatrany ny olona nasaina, indrindra ny tao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy Matsiatra Ambony, ireo Mpitandro filaminana ato Matsiatra Ambony (Miaramila, Zandary ary ry zareo ao amin’ny Polisim-pirenena).

Tanteraka hatrany tokoa, ilay lalan-tsain’ny  » Tagnamaro  » ankehitriny ny hoe :  » Apetraho ny dian-tànanao, ho lovain’ny taranaka « , ka  » Ho tontolo maitso sy ho rakotr’ala  » tokoa anie ity Nosintsika ity.