TAGNAMARO SAINTE MARIE

Notanterahina androany faha 21 Janoary 2023 ny hetsika TAGNAMARO ka ny fanadiovana ny manodidina ny Fiangonana Katolika Apostolika Romanina no natao satria feno fako taorian’ny fandalovan’ilay rivodoza CHENESO.

Tonga niatrika izany ny Préfet de Police ao an-toerana, ny Solombavambahoaka, ny Ben’ny Tanana sy ny sampandraharaham-panjakana rehetra ary ireo olom-pirenena maro.

Ity hetsika ity dia notronin’ireo mpino ihany koa.