TAGNAMARO ATSIMO-ANDREFANA
Amin’izao fiandohan’ny taona vaovao 2023 izao dia natomboka tato amin’ny Biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Atsimo Andrefana eto Tsienengea ny hetsika Tagnamaro tamin’ity 21 Janoary 2023 ity.
Ny tanjona dia ny hananana toeram-piasana madio sy milamina ho antokin’ny filaminan-tsaina sy fahasalamana mba hiatrehana ireo asa sy andraikitra ary adidy maro samy hafa mandritra an’ity taona vaovao ity.
Tagnamaro andron’ny olom-pirenena, Nian-dahy sy niam-bavy ny rehatra samy niara-nisalahy nanadio ny toeram-piasana, teo ambany fitarihan’ny Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Atsimo Andrefana, Atoa VELOMILA Jean niaraka amin’ireo mpiara miasa rehetra ary ireo rehetra nasaina handray anjara.
Nahitana an’ireo avy amin’ny mpitandro filaminana, ireo mpianatry ny Oniversite Toliara, ireo mpikabary Malagasy, ireo solotenan’ny fikambanan’ny mpanakanto sy ireo sampandraharaha isan-tsokajiny mianikana sy tsy miankina amin’ny fanjakana.samy niara-nisalahy nanadiovana ny tokontanin’ny Fitaleavalana, nanala an’ireo loto sy ireo ahi-dratsy maro nitsiry tato anatin’ity tokontany fitaleavana ity.
Tamin’ity fotoana ity ihany koa no nafahana nihaona sy nanamafy ny fiaraha miasa eo amin’ny mpisehatra rehetra ary nanentana ny rehetra izay mbola tsy nandray anjara na koa ireo nandray anjara nefa nagatsitsika tato ato izay dia nampirisihina amin’ny fahavitrihana hahafoy ny fotoa entina hanasoavana ny mpiara-belona ary ho hita taratra izay hendrikin’ny fiaraha miasa izay mandritra an’ity taona vaovao ity.