TAGNAMARO ANALALAVA

Amin’izao ankatoky ny fotoam-pahavaratra izao dia niray hevitra ny vahoaka tao Analalava androany Asabotsy 28 Janoary 2023 fa nanantanteraka ny Tagnamaro dia ny fanadiovana ny kanalin-drano amin’ny « route principale » ao an-toerana.

Hetsika izay nokarakarain’ny delegasiona Serasera sy ny Kolontsaina sy ny ben’ny tanàna ao Analalava. Navitrika teto ny olom-pirenena namita ny adidiny ary samy resy lahatra ny amin’ny vokatsoa ateraky ny Tagnamaro izay karakarain’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Nanentana ny rehetra teto ny ben’ny tanàna ao Analalava ny amin’ny tokony hikajian’ny rehetra ny fahadiovana, ka tsy hanary fako eny rehetra eny.