TAGNAMARO BORIZINY (PORT-BERGER)

Goavana ny Tagnamaro teto Boriziny (Port-Berger). Poa-droa teto ny hetsika tamin’ity andron’ny Asabotsy 28 Janoary 2023 ity : andaniny dia ny fikaohana ireo fasika nanentsika ny « bassin » ipetrahan’ny fantson’ny orinasa Jirama, izay mitaona rano avy amin’ny reniranon’i Amboangy ho tonga mamatsy ny vahoakan’i Boriziny iray manontolo.

Anisany takaitra navelan’ny rivo-doza farany teo iny tokoa izao fibosesiky ny fasika nanentsika ny « bassin » ity. Tsy mora ny asa natao teto fa saingy vita soamantsara, ary afa-pahasahiranana ny vahoaka ao Boriziny.

Ankilany kosa dia ny fanadiovana ny manodidina ny biraon’ny delegasion’ny Serasera sy Kolontsaina ao Boriziny, misy ny RNM-TVM. Ankoatry ny fanesorana ireo lobolobo dia notapahina ireo hazo avo ahiana ho tapaka na hitera-doza.

Niara-nifarimbona tamin’ny vahoaka teto ny solombavam-bahoaka voafidy tao Boriziny, ny lehiben’ny Distrika, ny tompon’andraikitry ny Jirama, ireo mpitandron’ny filaminana ary mazava loatra ny delegean’ny Serasera sy Kolontsaina ao Boriziny.