VOLANA IRAY, MPANORATRA IRAY

Mitohy any Toliara ny fampahafantarana an’i SIMEONA TSIANENENANA

Ny tantaram-piainany sy ireo dingana rehetra nolalovany ary ny sanganasa vitany teo amin’ny sehatry ny haisoratra no nifampizarana tamin’ireo mpianatra sy tompon’andraikitra tao amin’ny Lycée mixte Mahavatsy II.

Izay anatin’ny fandaharanasa VOLANA IRAY MPANORATRA IRAY karakarain’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Fotoana nampahatsiahivana ny anjara toeran’ny asasoratra eo amin’ny kolontsaina sy ny tanjon’ny Minisitera tompon’andraikitra.

Nisy koa ny fametrahana fanontaniana mivantana tamin’ity mpanoratra nasongadina tamin’ity volana Janoary ity, nataon’ireo mpianatra izay nahatsapa fa nandray lesona nanditra ny fifampitafana.

Nanambara ny Talem-paritry ny Serasera s’y Kolontsaina Atsimo Andrefana VELOMILA Jean fa hisy ny fandaharana manokana amin’ny haino amanjerim-panjakana ao Toliara hampahafantarana ihany koa an’i SIMEONA Tsianenenana amin’ny rehetra izay tsy niatrika tamin’ity fotoana ity .

Nisaotra ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina @ zao fanomezan-danja sy hasina ny haisoratra izao ity mpanoratra.

Nandravaka ny fotoana ny tarika BELONGO fanta-daza amin’ny fiangaliana angorodao ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana.

Tiana ny manamarika fa nalefa nandritra Io fihaonana io ny ampahany tamin’ireo tantara nosoratan’i Simeona Tsianenenana efa nandeha tao amin’ny Radio Madagasikara, dia ny « Andram-pitia » sy « Ny anio ihany »…