EFA NATOMBOKA NY ASA FANARENANA NY TEMPOLY PROTESTANTA AO ANATIN’NY ROVAN’I MADAGASIKARA

Nandritra ny Filan-kevitry ny Minisitra farany teo no nankatoaviny ny « Travaux d’urgence » na asa fanarenana anaty hamehana an’ity Tempoly Protestanta izay singa iray mandrafitra ny Vako-pirenena « ROVAN’I MADAGASIKARA ».

Natomboka avy hatrany ny asa, ka androany Alatsinainy maraina Ramatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO sy ny mpiara-miasa aminy dia nitsidika sy nijery amin’ny antsipirihany izany.

Niara-nanatanteraka ny fitsidihana tamin-dRamatoa Minisitra ireo solontenan’ny Taranak’Andriana isan-tokony ka isan’izany:

1- Princesse Claire RATSIMAMANGA,

2- Princesse Fenosoa RALANDISON RATSIMAMANGA,

3- Georges RATRIMOARIVONY (Zanak’Andriana),

4- Étienne GEORGET (Zazamarolahy),

5- Sitraka RAOELIARIVONY ANDRIANTSALAMA (taranak’Andrianampoinimerina),

6- Johnson RAMANIRAKA (Andriamasinavalona),

7- Michelle RAKOTOMALALA (Zanadranavalona),

8- Francesca RAKOTONDRAMANANA (Andriamasinavalona),

9- Pr Bienvenu RAMANANA (Andriantompokoindrindra),

10- RAJAONARIVELO Olivier (Andrianamboninolona),

11- Lalao RAOELISOA RATSIMIHAH (Andriandranando),

12- Éric RAOBELINA (Zanad-Ralambo amin’Andrianjaka).

Ireto Taranak’Andriana dia mankasitraka ny fandraisana andraikitra noraisin’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ka manohana tanteraka ny asa atao ary miara-manaraka akaiky amin’ny Minisitera ny fizotry ny asa.

Inona avy moa ireo asa hatao?

Fanarenana ny lohan’ny tilikambo: hampidinina tsirairay ireo rihana telo mandrafitra izany, ka ho soloina ny vato ratsy, izay vao harafitra vaovao sy hampiakarina indray;

Fitsirihana ny olana mikasika ny rano avy ao ambanin’ny Tempoly: tsikaritra fa mitsika amin’ny rindrina ary miteraka hamandoana izany ary miakatra mandoto ny rindrim-bato no sady manakotontana ny fahamarinan-toeran’ny Tempoly.

Ka hisy ny asa fitrohana sy fandritana izany rano miandrona sy hamandoana izany.

Koa satria izao no asa fikojakojana sy fanatsarana anisan’ny sambany mba atao tao anatin’izay 154 taona niorenan’ny fiangonana izay, dia araraotin’ny Minisitera koa ny hanao asa fanatsarana manaraka ireto:

Fanoloana ireo tafo mitete ary koa ny lakan-drano avy eny ambony.

Fanadiovana ny rindrina ivelany rehetra.

Ary marihina fa amin’ny maha vakoka azy dia hatao manaraka ny fenitra sy manaja hatrany ny endrika niaingana ny asa.