NATAO TAGNAMARO NY FANARENANA NY TRANOMPOKONOLONA TAO AMPARAFARAVOLA, FARITRA ALAOTRA MANGORO

 

Distrika iray isan’ny mpamoka-bary betsaka ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro ny distrikan’Amparafaravola, izay ivondronana kaomina miisa 22.

Ny kaomina ambonivohitr’Amparafaravola no renivohitry ny Distrika.

Kaomina be mponina indrindra ao aminy, kanefa isan’ireo tratra aoriana indrindra amin’ny fampandrosoana.

Taorian’ny antso tolo-tanana nataon’ny ben’ny tanana, dia niara-nisalahy nanao tagnamaro ny fampandrosoana ny kaomina ambonivohitr’Amparafaravola niaraka tamin’ireo hery velona rehetra tao an-tanana ny ekipan’ny minisiteran’ny serasera sy kolontsaina, ka ny fanarenana ny tranompokonolona no nanombohana azy.

Natao tagnamaro ny fanarenana ny tranompokonolona ao Amparafaravola izay mirefy 32,5 metatra ny halavany, 14 metaqtra ny sakany ary 8 metatra ny haavony.

Ny taona 1965 no nanorenana io tranompokonolona io ary izao vao nisy fanamboarana, ka nokitihina avokoa ny rindrina, ny tafo, ny dallage, ny lapihazo, sy ny maro hafa.

58 taona aty aoriana araka izany dia nahazo endrika vaovao ity tranompokonolona ao amin’ny kaomina ambonivohitr’Amparafaravola ity.

Ankoatra ity tranompokonolona ity dia asa maro no mbola hiarahana manao tagnamaro ho fampandrosoana ny kaominin’Amparafaravola.

Tsiahivina fa ny #Tagnamaro dia hetsiky ny olom-pirenena entiny mifanolo-tanana amin’ny fanarenana na fanamboarana foto-drafitr’asa ho an’ny daholobe fanao isaky ny sabotsy fahatelo ao anatin’ny volana.