TAGNAMARO AMBOASARY ATSIMO
Fambolen- kazo eny amin’ny Toby nenilava eto Amboasary-Atsimo no nosafidianana ny Délégation ny Serasera sy ny kolontsaina aty amin’ny district ny Amboasary Atsimo, nosafidianana manokana satria tsy misy hazo ialofana ireo Kristianina mamonjy fotoana sy ireo marary izay mimpetraka eny.
Ka zanan- kazo morenga 300 no voavoly androany Asabotsy 18 Février 2023.
Niarahan’ireo herivelona any an-toerana ny sampandraharaha isan- tsokajiny ; ny mpitandrofilaminana ary ny Vehivavy TGV, ny vady ny zandary, Navitsika ny mpandray anjara tamin’ny hentsika Tagnamaro tarihin’ny fianakaviany Delcc aty Amboasary- Atsimo.
Mankasitraka ny Ministeran’ny Serasera sy ny kolontsaina ny mpitandrina eny amin’ny fiangonana FLM ary mbola manentana ireo mpivavaka mba ho tohizana ny hentsika Tagnamaro toy izao.