TAGNAMARO FENOARIVOBE- BONGOLAVA

Fokontany telo tato anatin’ny Kaomina Ambanivohitry Fenoarivobe, dia ny fokontanhy Ambatomitsangana, Andranomirafy ary Fenoarivobe no indray niray hina nanao Tagnamaro tamin’ny alalan’ny fanamboaran-dalana sy fisavana tatatra tao amin’ny tetezan’ny Jangoany sy Ambatoaranana, izay lalana mampitohy an’ny Distrikan’ny Tsiroanomandidy amin’ny Distrikan’ny Fenoarivobe.

Nosafidiana mihitsy ny fanarenana ny toerana teto satria simba vokatry ny fandalovan’ny andro ratsy farany teo iny.

Vita ny fanarenana, olona anjatony no nifanome tanana. Hetsika teo ambany fiahian’ny Tompon’andraikitry ny Serasera sy ny Kolontsaina tany an-toerana notronin’ny fokonolona.