TAGNAMARO MATSIATRA AMBONY-DISTRIKA FIANARANTSOA
» Apetraho ny dian-tànanao, ho lovain’ny taranaka « .
Ny fiarovana ny tontolo iainana tamin’ny alàlan’ny asa fanadiovana ao anatiny sy ny manodidina ny » tsenan’Anjomà Fianarantsoa no nanatontosana ny andron’ity Sabotsy 18 Febroary 2023 maraina ity, ny hetsika ara-kolontsaina » Tagnamaro Andron’ny Olompirenena – Volana Febroary 2023 » tato amin’ny Faritra Matsiatra Ambony – Distrika Fianarantsoa.
Maro ny olona tonga namaly ny antso natao teo ambany fitarihan’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Matsiatra Ambony, notronon’ireo solontenam-panjakàna isa-tsokajiny (Sivily sy miaramila) ary ireo Fikambanana isan-tsokajiny : Mpilatsaka an-tsitra-po, Mpivarotra sy ny mpanjifa àry ireo olon-tsotra eo anivon’ny Fokontany Isaha sy ny Fokontany manodidina.
Isaorana manokana eto Ramatoa Ben’ny Tànana ny Kaominina Renivohitra Fianarantsoa sy ny ekipa mpiara-miasa aminy.