TAGNAMARO BEALANANA

Tsy mbola manana birao ho azy manokana ny delegasion’ny Ministeran’ny mponina ao Bealanana. Ankehitriny anefa, tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asan’ny Ministeran’ny mponina ny fanamboarana fotodrafitrasa ho birao fiasana ao Bealanana.

Nahamenatra anefa ny zava-misy fa lasa toerana fanariam-pako ny toerana voatondro hametrahana izany fotodrafitrasa izany. Araka izany, niray feo ny olom-pirenena tao Bealanana tamin’ity andron’ny Asabotsy 18 Febroary 2023 ity fa hodiovina amin’ny alalan’ny Tagnamaro ity toerana ity.

Nanamafy ny fanentanana teto ny delegean’ny serasera sy kolontsaina ao Bealanana ny amin’ny tokony hitandroana mandrakariva ny fahadiovana amin’ity toerana ity, satria fananana iombonana no apetraka eto..