TAGNAMARO BEFANDRIANA-AVARATRA

Zana-kazo 1000 fototra no voavoly tao Antsirabe, fokontany Tsararivotra, distrikan’i Befandriana-Avaratra, nandritry ny hetsika Tagnamaro andron’ny olom-pirenena.

Zana-kazo telo karazany no indray hita teto dia ny: Hintsina, Bonara mamy ary Mantaly. Nambaran’ny lehiben’ny distrikan’i Befandriana-Avaratra, Pruvot Victorien Odilon teto fa tsy: atao fahazarana fotsiny ihany ny hetsika fambolen-kazo toy izao fa tsy maintsy asiana fanaraha-maso akaiky ireo zana-kazo novolena.

Navitrika teto ny olom-pirenena, tonga namita ny adidiny tamin’ity Tagnamaro ity, nahitana ny avy amin’ireo sampandraharaha miankina sy ny tsy miankina amin’ny fanjakana.