TAGNAMARO DISTRIKA AMBATONDRAZAKA
Zanakazo acacia miisa 2000 no voavoly nandritra ny hetsika TAGNAMARO ho an’ny fambolenkazo natao tao Bevava Andilanatoby.
Velaran-tany 02 hektara no nanatanterahana ny asa, nifanome tanana tao anatin’izany ireo serivisy miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana niaraka tamin’ireo fokonolona.
Nitarika ny hetsika ny Préfet an’Ambatondrazaka, ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ary ny avy ao anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy Alaotra Mangoro.
Marihina fa fanokafana ny taom-pambolena zanakazo 2023 eto amin’ny distrikan’Ambatondrazaka izao natao izao.