TAGNAMARO FORT-DAUPHIN

Fanatsarana ny zaridaina, fipetrapetrahan’ny mpianatra sy ny rehetra miala sasatra, manoloana ny Kôlejy Fomasin’i Jesoa, ao Bazarikely no nanamarihana ny HETSIKA TAGNAMARO, teto Fort-Dauphin.

Nolokoina ny sisin’ny zaridaina, nesorina ireo lobolobo, nodiovina ny faritra feno fako, nokarakaraina ny vonikazo.

Maro ireo nandray anjara tamin’ity Tagnamaro ity satria dia voa solotena tato daholo ireo lafin-kery misy eto an-toerana: mpiasam-panjakana, ny Kaominina Ambonivohitrin’ny Faradofay, mpiasa tsy miankina @ fanjakana, mpandraharaha karana(izay namatsy ara-pitaovana) ary ireo fikambanana maro samihafa.

Samy mahatsapa ny maha zava-dehibe ity Hetsika Tagnamaro izy ireo ka tsy nisalasala nandray anjara.