TAGNAMARO MAEVATANANA

Fanadiovana faobe ny Gare routière eto Antanambao sy ny manodidina azy no niarahan’ireo Sampandraharaha, Fikambanana, Orinasa madinika sy Mpandraharaha isan-tsokajiny eto amin’ny gare nanatanteraka tamin’ny alalàn’ny hetsika Tagnamaro ho fitandrovana ny fahadiovan’ity toerana be mpivezivezy ity.

Koa satria mbola ao anatin’ny fotoam-pahavaratra sy fotoana firongotan’ny otrikaretina maro dia nisy ny famendrahana ranom-panafody mamono otrikarena taorian’ny hetsika fanadiovana natao.