Akon’ny TAGNAMARO volana Febroary TOAMASINA I (Faritra Atsinanana)

Toy ny fanao isaky ny Sabotsy faha 3 ny volana dia manatanteraka hetsika TAGNAMARO ireo olom-pirenena avy amin’ny sehatra maro samihafa ahitana ny avy ao amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, ny Fitaleavam-paritra sy sampandraharam-panjakana sivily sy miaramila, ny orinasa , fikambanana , Antoko politika sns…

Omaly asabotsy faha 18 Febroary 2023 dia

fandokoana an’ireo seza fipetrapetrahana sy fanadiovana an’ireo  » Îlot » na ampahan-toerana miisa 3 ao amin’ny Place de la Colonne izay toerana manan-tantara eto Toamasina no efa voasokajy ho « Vako-pirenena » ihany koa, no natao TAGNAMARO.

Mbola maro ny asa fanajariana sy fikolokoloina hotanterahina amin’io toerana io. Ka mbola manantena ny fiaraha-mientana sy ny firaisankintsika rehetra.