TAGNAMARO MANAKARA VOLANA FEBROARY (Faritra FITOVINANY)
Famelomana ny làlan-drano ao amin’ny Fokontanin’i Mangarivotra-Atsinanana, Kaominina Ambonivohitr’i Manakara, no TAGNAMARO natao tao Manakara tamin’ity volana Febroary ity.
Izany no natao dia mba hisorohana ny mety ho rano miandrona ka hahadibo-drano, amin’izao vanim-potoan’ny orana sy ny rivo-doza izao.