MADAGASIKARA UNESCO : MANAMAFY NY FIARAHA-MIASA

Nifanindran-dalana tamin’ny fikaonan-doha iraisam-pirenena handinihana ny fomba hitantanana ny aterineto sy ireo tambajotran-tserasera naterany mba hiantohana ny fahalalahana miteny sy hiarovana ny demokrasia, dia nihaona tamin’ny Tale Jeneraly lefitry ny 𝙐𝙉𝙀𝙎𝘾𝙊 misahana ny serasera sy ny fampahalalam-baovao Andriamatoa 𝙏𝙖𝙬𝙛𝙞𝙠 𝙅𝙀𝙇𝘼𝙎𝙎𝙄 ihany koa Ramatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina 𝐋𝐚𝐥𝐚𝐭𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐑𝐚𝐤𝐨𝐭𝐨𝐧𝐝𝐫𝐚𝐳𝐚𝐟𝐲 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐓𝐎𝐍𝐆𝐀𝐑𝐈𝐕𝐎 nandinika sy nifanakalo manodidina ny fiaraha-miasa eo amin’ny Governemanta Malagasy sy ny Fikambanam-ben’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fanabeazana, ny Siansa ary ny Serasera na 𝙐𝙉𝙀𝙎𝘾𝙊.

Nivoitra nandritra izany ny fahavononan’ny UNESCO hifanampy amin’i Madagasikara amin’ny fikajiana ireo tahirin-kevitra tranainy malagasy (𝒉𝒆𝒓𝒊𝒕𝒂𝒈𝒆 𝒅𝒐𝒄𝒖𝒎𝒆𝒏𝒕𝒂𝒊𝒓𝒆) toy ny boky tranainy mirakitra ny tantaram-pirenena izay tehirizina ao amin’ny Tranombokim-pirenena amin’ny alalan’ny famadihana azy ireo ho nomerika (numerisation). Fiaraha-miasa izay mifanindran-dalana tanteraka amin’ny tetik’asan’ny UNESCO “𝓜𝓮𝓶𝓸𝓲𝓻𝓮 𝓭𝓾 𝓜𝓸𝓷𝓭𝓮”.

Ankoatra izay dia voaresaka koa ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanamafisana ny traik’efan’ny mpanao gazety ho fiomanana amin’ny fiatrehana ny fifidianana, ka nohamafisin’ny Andriamatoa Tawfik JELASSI ny fahavononan’ny UNESCO hifanampy amin’I Madagasikara. Madagasikara izay mpikambana ao anatin’ny filan-kevitra iraisan’ny governemanta (Conseil Intergouvernemental) mitantana ireo programa roa lehibe ho an’ny serasera eo anivon’ny UNESCO dia ny “Programme International de Developpement de la Communication” (𝙋𝙄𝘿𝘾) sy ny “Programme Information Pour Tous” (𝙋𝙄𝙋𝙏).