TAGNAMARO MANANJARY VOLANA FEBROARY (Faritra VATOVAVY)

Fanamboarana ny BAC ahafahan’ny daholobe miampita rano, izay ao amin’ny Fokontany Faravato, Kaominina Ambanivohitr’i MAHATSARA IEFAKA, no TAGNAMARO natao tao anatin’ny Distrikan’i Mananjary tamin’ity volana Febroary ity.

Trna ilaina tokoa ity bac ity, ifamoivoizan’ny mponina any an-toerana mampitohy amin’ny Kaominin’i Mananjary, iampitan’ny mpianatra sy ireo tantsaha mivarotra ny vokatra.