FANGARAHARANA SY FAMERANA NY FANDANIAMBOLA MANDRITRA NY FAMPIELEZAN-KEVITRA.

𝑯𝒐 𝒌𝒊𝒕𝒊𝒉𝒊𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒍𝒂𝒍à𝒎-𝒑𝒊𝒇𝒊𝒅𝒊𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒉𝒂𝒎𝒆𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒅𝒂𝒏𝒊𝒂𝒎-𝒃𝒐𝒍𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒌𝒂𝒏𝒅𝒊𝒅à 𝒎𝒂𝒏𝒅𝒓𝒊𝒕𝒓𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒎𝒑𝒊𝒆𝒍𝒆𝒛𝒂𝒏-𝒌𝒆𝒗𝒊𝒕𝒓𝒂 𝒔𝒂 𝒕𝒔𝒊𝒂?Io no nifantohan’ny ady hevitra nokarakarain’ny ONG IVORARY tetsy Faravohitra ny Talata 28 Février 2023 teo ka nandraisan’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina sady mpitondra tenin’ny Governemanta, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO anjara, teo anilan’ny Tale mpanatanteraky ny Transparency International Initiative Madagascar, Ramatoa Ketakandriana RAFITOSON, sy ny solon-tenan’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) Andriamatoa Julien RANDRIAMORASATA, ary ny Andriamatoa Filohan’ny (CCFVP) Rado MILIJAONA.

Nasongadin-dRamatoa mpitondra tenin’ny Governemanta nandritra izany fa « efa azo lazaina ho miantoka tanteraka ny fangaraharan’ny raharaham-pifidianana ny Lalàna fehizoro 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018 mikasika ny fitondrana ankapobe ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka (LORGER), ary efa voafaritra mazava tsara ny amin’ny tsy maintsy hanaovan’ny kandidà tatitra ara-bola telo volana aorian’ny fifidianana, sy ny fahefan’ny Vaomiera mpanara-maso ny famatsiam-bola sy ny fiainana ara-politika hitondra izay mety ho fandikan-dalana ara-bola nataona kandida iray ».

Ny fampiharana araky ny tokony ho izy io lalàna io no laham-pahamehana hoy Ramatoa Minisitra fa tsy ny hanao lalàna vaovao indray. Nomarihiny fa « ny fitondrana tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina dia tsy nanana eritreritra hikitika ny lalàm-pifidianana mihitsy mba tsy hilazana fa nanamboatra lalam-pifidianana amin’izay mampety azy ny mpitondra ».

Ankoatra izay dia nodisoin’ny Minisitry ny Serasera sy Kolontsaina ny fiheverana ny olom-pirenena ho tsy matotra na koa ny filazana avy hatrany fa mpandray kolikolim-pifidianana ny olom-pirenena mpifidy.

Nekeny fa mbola betsaka ny ezaka tokony hatao amin’ny fanabeazana ho olom-pirenena vanona ny mpifidy, ary samy manana andraikitra amin’izany na ny mpitondra, na ny antoko politika na ny fiaraha-monim-pirenena, saingy notsipihiny kosa fa rehefa ao ambadiky ny trano fisainana (isoloire) dia « mifidy malalaka arak’izay feon’ny fieritreretany ny olom-pirenena ».

Momba ny tontolon’ny serasera kosa dia nomarihiny fa efa voafaritra anatin’ny LORGER ny fahafahan’ny kandida rehetra mampiasa ny haino aman-jery na miankina na tsia amin’ny fanjakana.