TAGNAMARO DISTRIKAN’I SAKARAHA FARITRA ATSIMO-ANDREFANA.

Fanadiovana sy fanomezana endrika ny tanàna tamin’ny alalan’ny fandokoana ny tsangam-baton’ny 08 Martsa sy 29 Martsa manoloana ny biraon’ny Distrika,no asa natao nandritry ny Hetsika Tagnamaro volana Febroary,Distrikan’i Sakaraha.Nosafidiana manokana izy ity nohon’ireo daty manan-tantara izay efa manakaiky tokoa,no sady amin’ny maha toerana ivezivezen’ny rehetra.

Tonga nifanome-tanana tamin’izany avokoa ireo hery velona rehetra aty an-toerana nahitana ny Tafika,ny Polisy sy ny Zandary;ireo lehiben’ny sampandraharaha miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana sy ny mpiasa-miasa aminy,ireo fikambanam-behivavy eto Sakaraha.Ny lehiben’ny Distrikan’i Sakaraha sy ny Ben’ny tanànan’i kaominina Sakaraha ary izahay eto anivon’ny delegasionan’ny serasera sy ny kolontsaina eto Sakaraha no nitarika ny hetsika.

Izao moa no tanteraka noho ny fisian’ny fiaraha-miasa teo aminay sy ny komity mpikarakara ny 08 Martsa.