MANOKANA NY VOLANA MARTSA HANOMEZAM-BONINAHITRA AN’I RABEHASINA GABRIEL, NA GABHY NY MINISITERAN’NY SERASERA SY KOLONTSAINA
Ny volana Martsa manontolo no atokan’ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina hahatsiarovana sy hanomezam-bohinahitra manokana ny mpanakanto Rabehasina Gabriel na Gabhy, izay tsy hafa fa iray amin’ireo nandrafitra ny tarika Kintana telo niaraka tamin’i Romule sy Salomon.
Nanokafana izany “Iray volan’i Gabhy” izany ny lanonana nampahafantara ny fivoahan’ny boky nosoratan’i Aina Raherilala, mirakitra ny soram-piainan’i Gabhy, izay nampitondrainy ny lohateny hoe “Gabhy, Kintan’ny Kanto” ny 02 martsa 2023 teo tao amin’ny efitrano David Jaomanoro ao amin’ny #Tranombokimpirenena.
Misy ihany koa mandritra ity volana martsa ity, izay tsy hifarana raha tsy ny 27 martsa 2023 ny fampirantiana ny soram-pianan’i Gabhy etsy amin’ny #TRANOSARY Ambohidahy (ex-anta).
Ankoatra izay dia mbola hisy velan-kevitra roa iresahana momba an’i Gabhy ao amin’ny efitrano Dox ao amin’ny tranombokim-pirenena sy eny amin’ny Tranosary.
Ny haino aman-jerim-panjakana (RNM/TVM) koa dia hanokana fotoana hahatsiarovana sy hanomezam-boninahitra an’i Gabhy, ka sady handefa ny hira nahenona azy, no hanokana fandaharana manokana ny 26 martsa 2023 amin’ny 8 ora alina.
Ity hetsika ity dia tafiditra indrindra anatin’ny fandaharan’asan’ny minisiteran’ny serasera sy kolontsaina ho an’ny fanandratana avo ireo kolontsaina mampihavaka antsika, ny fanohanana ny fandraiketana an-tsoratra ho lova ho an’ny taranaka ny tantaram-pirenena amin’ny sehatra rehetra, fa indrindra koa ny fanosehana sy fampivoarana ny rohy sy ny indostrian’ny boky ary ny famporisihina indray ny rehetra ho tia vaky boky.