Notoloran’ny Fanjakana frantsay ny mari-boninahitry ny kanto.
Chevalier des Arts et des Lettres Andriamatoa Modeste RAKOTOMALALA, ary Officier des Arts et des Lettres kosa Andriamatoa Julien RAKOTONAIVO androany tetsy amin’ny trano fonenan’ny Masoivoho frantsay miasa sy monina eto Madagasikara.
Izy mirahalahy mianaka ireo dia nahavita be teo amin’ny andraikitra nosahaniny tao amin’ny Alliance Française teto Antananarivo. Fa Andriamatoa Julien RAKOTONAIVO manokana dia mpiara-miasa nandritra ny taona maro teto amin’ny Minisiteran’ny Kolontsaina ary hatramin’izao dia mbola manome tanana ny minisitera eo amin’izay lafiny kolontsaina izay. Mpikambana ao anatin’ny kabinetran’ny Fiadidiana ny Repoblika ihany koa izy.
Mpahay sy mpandalina tantara Andriamatoa Julien RAKOTONAIVO ary efa namoaka vokam-pikarohana maro eo amin’ny lafiny kolontsaina sy tantara.
Nanotrona ny lanonana fanomezana ny mari-boninahitra ho azy mirahalahy mianaka ireto ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo.