𝕋𝔸𝔾ℕ𝔸𝕄𝔸ℝ𝕆 ANDRON’ NY OLOM-PIRENENA VOLANA MARTSA: FANADIOVANA NY TOERAM-PONENAN’NY PRAIMINISITRA RAINILAIARIVONY FAHINY EO AMBODITSIRY
Eto amin’ny Fokontany Amboditsiry no misy an’ity toeram-ponenana faharoan’ny Praiminisitra RAINILAIARIVONY fahiny.
Tamin’ny taona 1866 no nanomboka nonina tao izy ary mirakitra tantara maro ity toerana izay nosokajiana ho VAKO-PIRENENA nanomboka tamin’ny 4 Septambra 1978.
Tamin’ny taona 2020 no efa navaozin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina tanteraka ity trano fonenany izay anatina toerana mirefy 02 Ha.
Tamin’izay no efa saika nosokafana ho Mozea ity toerana manan-tantara, saingy noho ny fahasarotana tamin’ny fanangonana ireo vakoka tokony haranty ao sy ny fisian’ny valan’aretina covid 19 dia tsy azo notanterahina izany ka izao indray vao hirosoana.
Navitrika ireo mponina notarihin-dRamatoa Sefom-pokontany Ambodotsiry niara-nifanome tĆ nana tamin’ny mpiasan’ny Minisitera ary ny ekipan’ny fiadidiana ny Distrika Antananarivo faha 5.
Ampatsiahivina hatrany fa ny lalan-tsaina voizin’ny 𝕋𝔸𝔾ℕ𝔸𝕄𝔸ℝ𝕆 dia ny fitaizana sy fanentanana ny fifanomezan-tĆ nana sy ny fiara-mientana eo amin’ny samy olom-pirenena.
Ka isaorana ny mponina anatin’ny Fokontany Amboditsiry izay sady nifanome tĆ nana niasa androany, no nanolotra fitaovana hikojakojana ny fahadiovana.