TAGNAMARO AMBATONDRAZAKA

Fanadiovana ny kianja RASOLONJATOVO no nanamarihana ny hetsika TAGNAMARO teto Ambatondrazaka, androany sabotsy 18 martsa 2023.

Fanalana ireo ahitra sy ny bozaka no natao mba iomanana amin’ny fiatrehana ireo fanadinam-panjakana ara-panatanjahantena sy ny fetim-pirenena ary ikojakojana ihany koa ny fotodrafitrasa.

Nitarika izao hetsika izao ny Préfet an’Ambatondrazaka niaraka tamin’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ary ny Fitaleavam-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Alaotra Mangoro.

Mbola tsy tena voadio tanteraka ity toerana ity, ka tapaka fa eto ihany no hanatanterahana ny TAGNAMARO volana aprily ho an’ny distrikan’Ambatondrazaka.