TAGNAMARO AMBOSITRA
FAMBOLEN-KAZO_DISTRIKA_AMBOSITRA
Naompana manintolo amin’ny amin’ny famerenana ny alam-panjakana arovana Ankazomivady ny fambolen-kazo ho an’ny Distrikan’Ambositra natao TAGNAMARO volana Marsa ho an’ny Foibem-paritry ny Serasera sy Kolontsaina Amoron’i Mania.
Toromarika avy amin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana ny tsy maintsy hanenjehana velaran-tany 15Ha isaky ny Distrika ho rakofana zanan-kazo ho famerenana an’i Madagasikara ho maintso, ka zanan-kazo misy karazany 7 toy ny zahana, voandelaka… miisa 10000 no natsatoka nandritra ity fambolen-kazo ity tamina velaran-tany 10 ha, ka 5 ha mbola tsy tratra nandritra izany dia hataon’ny VOI ao amin’ny Kaominina Ambalamanakana sy Ambatofitorahana.
Nanolotra ny zanan-kazo ny Union Manirisoa sy ny Cœur de Forêt Antsirabe, ny Sekolin’ny Zandarimariam-pirenena Ambositra tamin’ny alalan’ireo mpianatra ho Zandary andiany faha 77 no nanao ny lavaka niaraka tamin’ireo fokonolona tany antoerana.
Vonona ny OMC hoy ny Préfet Ambositra RAKOTOMALALA Richard hifanometanana amin’ny VOI amin’ny fiarovana ny fanapotehana tsy ara-drariny ny ala arovana Ankazomivady.
Nanentana ny fokonolona kosa ny Talem-paritry ny Tontolo Iainana Amoron’i Mania ROKOTOMAHAFALY Gilbertine ny hanohizana ny fambolen-kazo indrindra ny fikojakojana izany mba ho ho lovain-jafy.
Nahatonga solotena avokoa moa ireo sampandraharaham-paritra misy aty Ambositra amin’ny maha TAGNAMARO azy.