TAGNAMARO ANKADINONDRY SAKAY BONGOLAVA

Fanatsarana ny zaridaina natokana ho an’ny rehetra, fandokoana ny tsangambaton’ny mahery fo, fanatsarana narahina fandokoana ny toeram-pidiovana natokana ho an’ny daholobe ary fanadiovana faobe.

Ireo no asa nentina nanamarihana ny Tagnamaro andron’ny olompirenena notanterahina tao amin’ny Kaominina Ankadinondry Sakay Distrikan’ny Tsiroanomandidy Faritra Bongolava.

Naneho ny firaisankinany ho amin’ny fiaraha-mientana tamin’ny fanatanterahana ny Tagnamaro teto ireo tompon’andraikim-panjakana taty amin’ny Faritra izay notarihan’ny Prefen’ny Tsiroanomandidy.

Ity farany izay nanamafy fa zava-dehibe ny hetsika sahala amin’izao ka nanentana ny rehetra hatrany ny mba hifanome tanana ho amin’izany.

Nandritra ity tagnamaro ity ihany koa dia nanamafy ny Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Bongolava fa ny Tagnamaro dia hetsika natao ho an’ny olompirenena tsy ankanavaka entina manatanteraka asa iombonana ho fikatsahana ny tombotsoa iombonana.