TAGNAMARO ANTSOHIHY
Isanandro, ahitana olona manao raharaha hatrany ny biraon’ny fokontany eto Ambalakida.
Ny zava-misy anefa dia efa somary vasoka sy antitra ny lokon’ity birao fokontany ity.
Araka izany, raikitra tamin’ity androany ity ny Tagnamaro andron’ny olom-pirenena, ka ny asa fandokoana ity biraon’ny fokontany ity no indray natao teto.
Araka ny fandaminana azo teto dia ny tety ivelany ihany no natao.