TAGNAMARO BEALANANA

FANENTANANA NY OLONA HIDITRA AO ANATY LISI-PIFIDIANANA.

Noho ny fahitan’ireo fikambanana KB8M sy ny CED Bealanana ary ny delegasionina ny serasera sy ny kolontsaina ny tsy fahavitrihan’ny olona feno 18 taona mihoatra misoratra anarana ao anaty lisitry ny mpifidy ato anatin’ny Distrikan’i Bealanana, dia nanao hetsika fanentanana isam-pokontany, izay niarahana tamin’ireo mpitondra, ny andron’ny Sabotsy 18 Martsa.
Tanjona amin’ity fanentanana ity dia mba hampavitrika sy tsy hampisalasala ny olom-pirenena hisoratra anarana.

Tamin’ny alalan’ny Tagnamaro no nanaovana ny fanentanana, izay nahitana ny avy ao amin’ny CED, ny Lehiben’ny Distrika, filohan’ny KB8M, ary ireo filohan’ny Fokontany ao Bealanana renivohitra.