TAGNAMARO SAMBAVA
Fangadiana sy fanadiovana tatatra tao Andamoty no natao nandritra ny Tagnamaro andron’ny olom-pirenena teto Sambava ny Asabotsy 18 Martsa 2023.
Tatatra mirefy eo amin’ny 1Km no voahady sy voadio nandritra izany.
Niaraka nanatanteraka izany ny Fitaleavam-paritrin’ny Serasera sy ny Kolontsaina SAVA, ny Kaominina Ambonivohitra Sambava, ny mponina tao Andamoty ary ireo Sampandraharaha miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana.