TAGNAMARO MAMPIKONY

Nomarihina androany 29 Martsa ny tolom-panafahana nataon’ireo maherifon’ny firenena ny 29 Martsa 1947. Feno 76 taona tokoa ny tolona nataon’ny Malagasy.

Ho an’ny Mampikony manokana dia hiavaka ny fanamarihana izany rahampitso. Nisy araka izany ny Tagnamaro manokana izay nentina nandokoana ny tsangambaton’ny 29 Martsa, izay toerana hanaovana fametraham-boninkazo ho fahatsiarovana ireo namoy ny ainy ho an’ny tanindrazana.

Hetsika izay nokarakarain’ny Delegean’ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Mampikony, Eric DAIEBES, nanampy azy teo amin’ny fanomanana ny kaominina ambonivohitra Mampikony sy ireo mpitandron’ny filaminana.