TAGNAMARO MARTSA 2023 – Antsiranana
Teto amin’ny « rivière de caïman » Antsiranana no nanatanterahan’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Faritra DIANA ny TAGNAMARO andron’ny olom-pirenena tamin’ity sabotsy fahatelo amin’ny volana martsa 2023 ity.
Zanaka hônko (propagule des mangroves) lahy sy vavy no nambolena tamin’izany. Hetsika tafiditra ao anatin’ny fanarenana ny tontolo iainana no sady hiarovana ireo hazan-dranomasina mivelona ao anaty ala hônko.