BIBLIOTHÈQUE NATIONALE MALAGASY NA TRANOMBOKIM-PIRENEN’i MADAGASIKARA

Ampatsiahivina antsika hatrany fa ankoatra ny tolotra vaky boky amin’ireo efitrano lehibe vitsivitsy, dia maro ireo hetsika samihafa karakaraina ao.

Anisan’izany ny fampirantiana tahirin-tsary azontsika ankafizina eny amin’ny lalantsara isaky ny rihana eny, ka milohahevitra maro izany.

Toa an’ity fampirantiana sary tahiry mampiseho ny taovolo amin’ny faritra sy foko sasantsasany manerana ny Nosy.

Mahaliana tokoa ireto haingo taovolo izay vakoka tsy tontan’ny ela manana ny tantarany sy ny dikany avy.

Sary voatahiry efa ela satria misy amin’izy ireo dia nalaina talohan’ny Fahaleovantena.

Manasa antsika hatrany hanjifa ireo tolotra rehetra ato anatin’ity toerana natao ho an’ny daholobe ity.