FAHALALAHANA MITENY SY FAHALALAHAN’NY ASA FANAOVAN-GAZETY.
IVON’NY FIFANAKALOZANA TEO AMIN’NY FIANAKAVIAMBE IRAISAM-PIRENENA SY NY FIARAHA-MONIM-PIRENENA ARY NY MINISITRY NY SERASERA SY KOLONTSAINA
Nandray sy nitafa, ka namaly tsy am-pihambahamba sy tanatin’ny mangarahara tanteraka ireo fanontaniana sy ahiahin’ireo masoivoho vahiny sy ireo solon-tena maharitr’ireo karazana fikambanana iraisam-pirenena miasa sy monina eto Madagasikara ary ny solon-tenan’ny fiaraha-monim-pirenena, momba ny fahalalahana maneho hevitra sy miteny ary ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, izay samy andrin’ny demokrasia ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ny zoma 31 martsa 2023 teo.
Dinika sy fifanakalozana vaovao izay nanehoan’ny minisitera ny fisokafany sy ny fahavononany hampihatra ny mangaraharaha ary hifanakalo hevitra malalaka amin’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra sy ny fiaraha-monim-pirenena tsy ankanavaka mahakasika ireo loha-hevitra manodidina ny serasera, ny fahalalahana miteny, ny asa fanaovan-gazety sns…
Voaresaka tsy nisy olakolaka avokoa, nandritra izany fihaonana izany, izay notanterahina tetsy amin’ny tranombokim-pirenena Anosy, ireo loha-hevitra rehetra manodidina ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahafahana manao gazety, ny momba ny “mpisintona lakolosy”, fa indrindra ireo raharaha mafana mahakasika mpanao gazety na orinasa an-gazety, na haino aman-jery izay maha-voatonona foana ny minisitera miandraikitra ny serasera ary hitsikerana ny fitondram-panjakana ho manohitohina ny fahalalahana.
Novelabelarin-dRamatoa minisitra nanoloana ireo vahiny nandritra izany fihaonana izany ireo fanovana goavana nentin’ny ekipan’ny minisitera misahana ny serasera ankehitriny hiantohana ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra, fa indrindra ny fahafahana manao gazety an-kahalalahana, toy ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny serasera amin’ny haino aman-jery, ka nanafoanana tanteraka ny famonjana mpanao gazety noho ny heloka an-gazety, izany hoe noho ny asany dia ny lahatsoratra na fanadihadiana izay nataony izany.
Momba ireo raharaham-pitsarana izay maha-saringotra olona miasa amina orinasa fanaovan-gazety dia nitondran-dRamatoa Minisitra fanazavana nanoloana ireo vahiny ny vesatra nanenjehan’ny fitsarana ireo olona rehetra na koa orinasa an-gazety izay voakasika, ka nanehoany fa heloka tsotra (délits de droit commun) no hanenjehan’ny fitsarana azy ireo fa tsy heloka mifandraika amin’ny asa fanaovan-gazety (délits de presse) velively .
Momba ny satan’ireo mpisintona lakolosy, dia nohamafisin’ny minisitry ny serasera sy kolontsaina, sady mpitondra tenin’ny governemanta nandritr’izany fifanatrehana izany ny efa fisiana andinin-dalàna maro natao hiarovana ireo olona vavolombelona sy ireo loharanom-baovao tsy mitonona anarana momba ny trangana kolikoly.
Nandray anjara tamin’izany fihaonana izany, ny zokiolona indrindra amin’ny masoivoho miasa sy monina eto amintsika, dia ny masoivohon’i Comores, ny mpiandrai-draharahan’ny vondrona eraopeana, ny solon-tena maharitry ny PNUD, ny mpanolon-tsaina ambony misahana ny zon’olombelona eo anivon’ny sampan-draharahan’ny firenena mikambana eto amintsika, ny masoivohon’ny OIF, ny masoivohon’i Iran, ny masoivoho lefitry ny firenena Britanika, ary ireo mpanolontsaina eo anivon’ny masoivohon’i Norvège, Etazonia, Allemagne, Indonesie, ary ny Unesco.
Nisolo-tena ny fiaraha-monim-pirenena kosa ny Transparency International, ny ONG Ivorary, ary ny ONG Ilontsera.