AKON’NY TAGNAMARO ANTANANARIVO FOIBE
Notanterahina tetsy amin’ny trano fonenan’ny Praiminisitra Rainilaiarivony Amboditsiry ny Tagnamaro niarahan’ireo mpiara-miasa marobe avy amin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina eto amin’ny foibe.
Ny fikarakarana ny zaridaina sy ny tokontany no tena nimasoana, teo ihany koa ny fandokoana ireo trano madinika ao anatin’ny tokontany.