TAGNAMARO MANDRITSARA
« Izay manome rà dia manome aina ».
Tsy noventesina am-bava fotsiny ihany izany tao Mandritsara, fa natao ara-bakiteny, nandritry ny Tagnamaro andron’ny olom-pirenena, ny andron’ny Asabotsy 15 Aprily 2023 ity.
Taorian’ny toromarika nomen’ny Dokotera mpitsabo dia raikitra tokoa ny fanomezan-drà maimam-poana ho an’ny hopitalibe Mandritsara.
Anisany zavatra tena mampanahirana ny marary sy ireo mpitondra marary ny tsy fahampian’ny tahirin-drà ato amin’ny hopitalibe Mandritsara. Ka io teboka io indrindra no antony nisafidianana ny fanomezan-drà maimaim-poana ho an’ny hopitalibe Mandritsara, tamin’ity Tagnamaro, volana Aprily ity.