TAGNAMARO BETROKA
Nialohavan’ny fanadiovana ny manodidina ny Hopitaly any an-toerana ny Tagnamaro amin’ity vola Aprily ity tany Betroka , akoatra ny fanaovana asa soa an-tsitra-po niarahana taminy mpilatsaka an-tsitra-po ASMT ( Asa Soa Mendrika Tsara ) Good Deeds Day , izay nahafahana nanolotra Vary sy Akanjo ho an’ireo voafonja an-jatony vavy sy lahy mamita sazy eo aminy fonjan’ny Betroka .
Nanampy taminy enti-manana nahafahana nananao izay fiahiana ny maha Olona izao Andriamatoa Governoran’ ny Faritra Anosy , raha taminy alalan’ny ezakin’ny tsirairay no nahafahana nanangona ireo akanjo fitafy ho an’ireo voafonja any an-toerana .