FITOKANANA NY MOZEA RAINILAIARIVONY AMBODITSIRY : MAMETRAKA HO ZAVA-DEHIBE NY FIKOLOANA NY HAREM-BAKOKA NY FILOHAM-PIRENENA

Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina no nitokana tamin’ny fomba ofisialy ny MOZEA RAINILAIARIVONY, izay trano fonenan’ny Praiminisitra Rainilaiarivony taloha eny Amboditsiry nohavaozin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina tanteraka nanomboka ny taona 2020.

Nifanojo amin’ny fanamarihana ny faha-195 taona nahaterahan’i Rainilaiarivony izao lanonana izao, ary natao androany 18 avrily izay andro iraisam-pirenena ho an’ny zavanaorina sy ny toerana miavaka.

Tamin’ny taona 1978 no lasa harembakom-pirenena ity toerana ity, rehefa novidian’ny Fanjakana Malagasy tamin’ny taranaky Rainilaiarivony mba ho fiarovana azy.

Nisy olona nipetraka tao, hany ka tsy nisy fikojakojana mihitsy ny tanana.

Ny taona 2019 no niroso tamin’ny fanalana ireo olona nipetraka tao ny Minisitera mba nahafahana nanao ny asa fanarenana.

45 taona taty aoriana araka izany vao nisy ny fandraisan’ny fitondram-panjakana an-tànana ny fanarenana ny toerana ary namadihana azy ho Mozea azon’ny daholobe tsidihina mba hampahafantarana ny tantaran’ity Praiminisitra izay nanjaka ela indrindra teto amin’ny firenena ity.

31 taona no naha-Praiminisitra azy, nanambady ny Mpanjakavavy 3 farany izy, Rasoherina, Ranavalona II ary Ranavalona III talohan’ny nahatongavan’ny mpanjanatany ka nandefasana azy hitsoa-ponenana tany Algérie.

I James Cameron, mpahay taotrano anglisy no nanamboatra ny trano sy ny zaridaina tamin’ny taona 1863.

Nankasitraka manokana ny haitarika ananan’Andriamatoa Filoha Andry Rajoelina ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, satria nanomboka ny taona 2019 dia nahazo vahana tanteraka ny Kolontsaina. Ny Velirano faha-4 sy faha-13 samy manome lanja manokana ny Kolontsaina daholo, fotodrafitrasa maro no natsangana, ankehitriny ohatra dia anisan’ny goavana ny asa fanamboarana ny Kianjan’ny Hira Gasy, ny Mozean’ny hainoamanjery « Havoria », ny Mozean’i Fianarantsoa, ny Lapa Tranovola sy Manampisoa ao amin’ny Rovan’i Madagasikara.

Ankoatra izay dia anisan’ny asa lehibe eo amin’ny sehatry ny kolontsaina koa ny fampidirana ny Hira Gasy ao anatin’ny harembakoka tsy azo tsapain-tanana an’ny zanak’olombelona (patrimoine immatériel de l’humanité).

Ny fanarenana ny Trano lasa Mozea dia volam-panjakana madiodio no nanamboarana azy, ny fanajariana ara-mozea ao anatiny kosa (aménagement muséal) dia ezaky ny MSK niaraka tamin’ny tsy miankina, ary ny fanamboarana ny zaridaina iray manontolo dia vokatry ny TAGNAMARO izay niarahan’ny mpiasa rehetra eto amin’ny MSK nisalahy.

Azo ipetrapetrahana tsara ny eny amin’ny Zaridaina ho an’ireo mpitsidika ao amin’ny Mozea ary efa nasiana seza mifandraika amin’izany.

Ny « VOA´ART, the National Orchestra of Madagascar » sy ny « MALAGASY FOLKLORIK BAND » na MaF’B izay samy vondrona natsangana teo anivon’ny MSK no nanafana ny lanonana androany.

Manomboka izao dia azo tsidihina ny Mozea Rainilaiarivony, aty ampiandohana dia 500 Ar ny saram-pitsidihana ho an’ny Malagasy ary 5.000 Ar ho an’ny vahiny.

Rehefa Alarobia tolakandro kosa dia misokatra maimaimpoana ho an’ny mpianatra.