TAGNAMARO BEFANDRIANA-AVARATRA

Anisan’ireo fokontany andalovan’ny làlam-pirenena faha-32 ny ao amin’ny fokontany Ankazambo, raha hihazo any Mandritsara.

Zava-misy anefa dia sahirana tokoa ny mpampiasa ity làlam-pirenena ity noho ny faharatsiany. Noho izay indrindra dia nanao be midina ny fokonolona ka nanarina ireo hita fa tena ratsy, ahiana hitera-doza.

Nifarimbona niaraka tamin’ny fokonolona teto ny lehiben’ny boriborintany sy ny sefo fokontany ary tazana ihany koa ireo sojabe vitsivitsy tao an-toerana.