TAGNAMARO FARADOFAY (Fort-Dauphin)
Mitohy hantrany ny fanatsarana ny kianja fanaovana fanatanjahan-tena , Ampasimasay, tamin’ny alalan’ny Hetsika Tagnamaro izay notanterahina ny sabotsy 15 aprily lasa teo , teto Faradofay, renivohitrin’ny Faritra Anôsy.
Tsikaritra fa maro ny olona nandray anjara.
Midika izany fa tafita ny lalantsain’ny Tagnamaro.
Ny Lehiben’ny Fileovan’ny Tôlagnaro no nanokatra ny hetsika tamin’ny fomba ôfisialy, izay notronin’ny Faritra Anôsy,tamin’ny alalan’ny Talen’ny fotodrafitrasa sy ny Fampandrosoana, ny Kômity Mpandrindra Tagnamaro, ny mpikarakara ny fifaninanana baolina kitra « LAURDDI », ireo Fitaleavam-paritra maro samihafa, ny UNICEF, ny Ligin’ny Baolina kitra eto Anôsy, ny sampanadraharaham-panjakana maro, ny orinasa miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana , ary ireo fikambanana maro samihafa miasa eto Faradofay (Vehivavy, Tanora, sns).
Marihina fa nampirindrana tamin’ny « tournoi Laurddi » ity hetsika Tagnamaro ity, mba hanomanana ny fandraisana ireo mpankafy baolina kitra, izay hijery ny lalao famaranana ny alahady 16 aprily.