Akon’ny Tagnamaro volana Aprily. Kaominina ambanivohitra Ambararatabe Tsiroanomandidy- faritra Bongolava
Fanadiovana ny sisin-dalana sy ny lakandrano ary fanotorana ireo lavadavaka amin’ny arabe mihazo ny tanàna, niampy fanadiovana tao amin’ny CSB II sy ny faritry ny Brigadin’ny zandarimariam-pirenena; ireo no asa nentina nanamarihana ny Tagnamaro andron’ny olompirenena notanterahina tao amin’ny Kaominina Ambararatabe Distrikan’ny Tsiroanomandidy Faritra Bongolava.
Naneho ny firaisankinana sy fiaraha-mientana ireo tomponandraikim-panjakana taty amin’ny Faritra Bongolava.
Zava-dehibe ny hetsika sahala amin’izao ka nanentana ny rehetra hatrany ny mba hifanome tanana hatrany. Ho an’ny kaominina Ambararatabe manokana dia tsy hijanonana hatreo ny hetsika fa mbola hitohy isam-pokotany ny fanatanterahana ny Tagnamaro.