BOKY MIRAKITRA NY TONONKALO NOSORATAN’I JACQUES RABEMANANJARA : NAVOAKA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY ANDROANY
Nampahafantarina androany tao amin’ny Efitrano David Jaomanoro, Tranombokim-pirenen’i Madagasikara ny Boky mirakitra ny tononkalo nosoratan’i Jacques Rabemananjara, « oeuvre poétique de Jacques Rabemananjara » nosoratan-dRamatoa Dominique Ranaivoson, mpampianatra amin’ny Oniversite any ivelany sady mpandalina manokana momba ny literatiora amin’ny teny frantsay sy ny literatioran’i Madagasikara.
Efa 25 taona ity mpanoratra teratany frantsay manambady teratany malagasy ity no mandray anjara amin’ny fameloma-maso sy fanabeazam-boho ny asa soratra malagasy.
An-taonany maro izy no nandalina mikasika ity maherifon’ny tolona 1947 ity, izay sady andrarezin’ny kolontsaina malagasy tamin’ny naha-Poeta azy.
Fiaraha-miasa rohy fifanomezan-tànana no nahatontosana ny famoahana ny boky, ny « FONDS YAVAR HOUSSEN » no nanohana ara-bola; ary ny MBM na Mpariaka boky Madagasikara kosa no nanonta azy.
Ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY kosa no niahy ny famoahana ny boky sy nitarika ny lanonana androany. Tsy nitsahatra namporisika ny mpanoratra izy mba hamoaka ny sangan’asan’izy ireo mba hampiaina hatrany ny rohin’ny boky.
Nampatsiahy ireo fandaharanasa maro nataon’ny Minisitera koa Ramatoa Minisitra hatramin’ny 2019 no nankaty mba hanohanana ny mpisehatra ao anatin’ny rohin’ny boky, ka hamelo-maso indray ny fitiavana mamaky boky indrindra eo amin’ny tanora, ka hampiodina ny indostrian’ny boky eto Madagasikara.
Hapetraka ato amin’ny Tranombokim-pirenen’i Madagasikara sy ireo sampany moa ity boky vaovao ity, mba hanatevina ireo boky antonta eto madagasikara, ka azon’ny besinimaro izay mitsidika ny Tranombokim-pirenena vakiana.