FAMPIROBOROBOANA NY SEHATRY NY DIHY HISY FANOLORANA VATSIM-PIANARANA SY FIKARAKARANA FESTIVAL LEHIBE
FAMPIROBOROBOANA NY SEHATRY NY DIHY: HISY FANOLORANA VATSIM-PIANARANA SY FIKARAKARANA « FESTIVAL » LEHIBE
Ankoatry ny maha ao anatin’ny sehatry ny kolontsaina ary koa fitaizam-batana azy, ny DIHY dia fitaovana iray hanehoan-kevitra sy hampitàna hafatra ary anabeazana ihany koa.
Nomarihana omaly 01 Mey tetsy amin’ny Ivokolo Analakely ny 𝑨𝒏𝒅𝒓𝒐 𝒊𝒓𝒂𝒊𝒔𝒂𝒎-𝒑𝒊𝒓𝒆𝒏𝒆𝒏𝒂 𝒉𝒐 𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒅𝒊𝒉𝒚 ka tarika manodidina ny 40 no namaly Minisitera tamin’ny alàlan’ny ny antson’ny nataon’ny OFNAC na Office National des Arts et de la Culture.
Nifandimby niaka-tsehatra tetsy amin’ny IVOKOLO ireo mpikatroka rehetra amin’ny dihy (danse urbaine na dihy antanan-dehibe, danse traditionnelle na vako-drazana, danse moderne na dihy maoderina…).
Izany dia entina hanosehana sy hampahafantarana ny daholobe fa manan-talenta amin’ny dihy ny malagasy ary mahasarika tanora sy ankizy maro ity sehatra ity.
Natsangana koa ny Akademia ANAC na Académie Nationale des Arts et de la Culture, izay ivon-toerana anofanana sy itaizana ireo tanora manan-talenta amin’ny tontolon’ny hira, fitendrena zava-maneno fa indrindra ny dihy.
Mitohy ny ezaka fanampiana ireo tanora manana ny fahaiza-manaony. Hapetraka ny fandaharan’asa fitiliana sy fifantenana ireo tena mendrika indrindra ary hampisitrahina vatsim-pianarana manokana eo anivon’ny ANAC izy ireo, mba ahafahany miditra tanteraka amin’ny sehatra matihanina.