TAGNAMARO VOLANA APRILY FARITRA BOENY, DISTRIKAN’AMBATOBOENY
Tagnamaro fanadiovana natao teto amin’ny CHRD AMBATOBOENY no natao toy ny isam-bolana.
Ny Ekipan’ny Serasera sy ny Kolontsaina eto an-toerana no nitarika izany, ka niarahana tamin’ ireo mpiasan’ny Fahasalamana teto an-toerana sy ny Fikambanana maro samihafa ary ireo Sampandraharaha rehetra.
Na teo aza ny fisian’ny rotsak’orana be mikija taty an-toerana nandritra izany hetsika izany dia tsy nahasakana ny olona hanefa ny adidiny amin’ny maha olom-pirenena vanona azy ireo izany.