ZAVA-KANTO
ZAVA-KANTO « 𝘼𝙧𝙩 𝘾𝙤𝙣𝙩𝙚𝙢𝙥𝙤𝙧𝙖𝙞𝙣 »: MIFAMENO AMIN’NY EZAKA ATAON’NY 𝙈𝙎𝙆 NY HETSIKA ATAON’NY IVON-TOERANA TSY MIANKINA TOY NY AN’NY 𝐅𝐎𝐍𝐃𝐀𝐓𝐈𝐎𝐍 𝐇
Nosokafana tamin’ny ofisialy omaly Alakamisy 27 Aprily ny ivon-toerana «Galerie d’art contemporain» etsy Ambatomena izay atokan’ny 𝐅𝐎𝐍𝐃𝐀𝐓𝐈𝐎𝐍 𝐇 ampirantiana sy ikarakarana hetsika maroloko hanampiana ireo mpikanto malagasy sy iraisam-pirenena manome lanja ny famoronana ara-kolontsaina.
Milohateny hoe « 𝙈𝙖𝙙𝙖𝙢𝙚 𝙕𝙤, 𝐵𝑖𝑒𝑛𝑡ô𝑡 𝑗𝑒 𝑣𝑜𝑢𝑠 𝑡𝑖𝑠𝑠𝑒 𝑡𝑜𝑢𝑠 » ity fampirantiana santatra ity ka haharitra 10 volana izany (28 Aprily 2023 – 29 Febroary 2024).
Mifanojo amin’ny fandaharanasan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ity tetik’asan’ny Fondation H ity, izay voafaritra ao anatin’ny asa laharam-pahamehana. Tafiditra ao anatin’izany ohatra ny nametrahana ny Ivo-toeran’ny Kolontsaina (IVOKOLO) etsy Anakakely, ny Mozea Rainilaiarivony eny Amboditsiry, ny Mozea Vavitiana ao Toamasina, ny Trano Sary en6 Ambohidahy ary ny eny amin’ny Rovan’i Madagasikara, ankoatra ireo Mozea sasany izay mbola hapetraka. Natokana ireo toerana ireo mba hanehoana sangan’asana mpanakanto ka hanosehana azy ireo ao anatin’ny fandraharahana ara-kolontsaina (entrepreneuriat en industrie culturelle).
Namafisin-dRamatoa Minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY fa vonona hatrany ny Minisitera hiara-hiasa sy hanohana ny ezaka rehetra atao rehefa mifandraika amin’ny fampandrosoana ny lafin’ny Kolontsaina, izay voafaritra ao anatin’ny Veliranon’ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐲 𝐑𝐀𝐉𝐎𝐄𝐋𝐈𝐍𝐀.