TAGNAMARO BETROKA (Faritra Anôsy)
Tagnamaro manokana andiany fahatelo.
Nifarana teny amin’ny Fonja Atanimanga, ny Tagnamaro manokana andiany fahatelo izay nanomboka ny volana Aprily lasa teo ary ny Sabotsy 6 May no namaranana izany .
Tagnamaro izay nifantoka manokana taminy hijerena ny fiahiana ny maha-olona ireo voafonja tany Betroka , izay nahafahana namono ireo Bibikely tsy nahafahan’izy ireo natory am-pilaminana hatramin’izay , ka antony nahatonga ny Delegasionin’ny Serasera sy ny Kolontsaina any Betroka nitady mpiara-miasa afaka manampy ny enti-manana nahafahana nanao izany.
Nanampy hatrany am-boalohany ka hatramin’izao famaranana azy izao moa, ny Kabinetran’ny Dokotera Veterinera Mikambana any Betroka sy ireo namana eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena misy aty an-toerana, nahitana ny mpikambana aminy Vokovoko mena sy ny fikambanana Good Deeds Day. Izay tsy nitsaha-niato nanolon-tànana ny Delegasionin’ny Serasera sy ny Kolontsaina any Betroka .